Renim-pianakiana miady ho an’ny ankohonany i Voahangy
Renim-pianakaviana iray manano-tena, mipetraka eny Ankazomanga atsimo i Voahangy, 57 taona izy ary manan- janaka vavy iray 27 taona ary zafikely iray. Efa maty vady izy ary izy telo mianaka no miara-mipetraka . Niasa tamin’ireny orinasa afakaba ireny izy teo aloha, taty aoriana kosa dia ny sasa lamba sy ny tsaka-rano no amelomany ny ankohonany. Efa teo amin’ny 30 taona teo no nanaovany io asa io. Tokan-trano roa isan-kerinandro eo no hanaovany sasa lamba, raha misy mampanasa, raha tsy misy kosa dia mitady hevitra hafa mba hitadiavany vola. Ao amin’ny tokan-trano iray izay hikaramany dia manodidina eo aminy 50 isa eo ny lamba ary 100ar ny fanasany ny lamba iray izany hoe 5000AR eo ny vola azony. Ny fanasany ny lamba vaventy na ny botofotsy kosa dia 700ar ny iray ny mpampanasa kosa no miantoka ny rano sy savony hanasana ny lamba.
Matsaka rano ihany koa izy satria ny hohanina androany tadiavina androany. Ny fangalany rano kosa dia 200ar isakiny siny, maka rano amin’ny trano efatra isan’andro eo izy izy ary ny trano iray misy siny 4 na mihoatra. Raha toa kosa ka misy olona afaka mampaka rano azy dia ataony izany. Ny hakany ny rano iray siny dia 200ar izany hoe mahazo 3200ar eo izy isan’anandro. Mihaotra kosa rehefa misy olona hafa mampatsaka. Ny olana mianjady aminy anefa dia ny vidim-piainana miakatra isan’andro. Tsy maharaka ny filàn’izy ireo ao an-tokatrano ny vola miditra. Misy fotoana izy ireo no tsy misakafo rehefa tsy mahita asa atao. Mijaly ihany koa izy ireo rehefa fahavaratra satria tafiditriny rano ny trano fonenany.
Sonia Randrianarijaona
