Bénévolat : Mampitombo ny fahatokisan-tena ny filatsahana antsitra-po
Ny Bénévolat dia filatsahana antsitra-po amin’ny hetsika ataon’ny fikambanana, vondrona na syndicat iray. Tsy mikarama ny mpanao Bénévolat ary hetsika tsy hidiram-bola (à but non lucratif) na asa soa matetika no tena atao.
Tsy voatery eo amin’ny sehatry ny mahaolona na manampy ny mahantra ihany nefa no azo hilatsahana an-tsitrapo. Mivelatra amin’ny sehatra maro izany toy ny fanatanjahan-tena, kolontsaina, fialam-boly, fahasalamana, hetsika ara-tsosialy, fiarovana ny zo, fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavamanan’aina ary ny fanabeazana. Ny tanjon’ny bénévolat dia ny fanasoavana sy ny fiasana ho an’ny hafa tsy miandry takalony.
Ao Europe dia 100 tapitrisa amin’ny mponina no milatsaka an-tsitrapo amin’ny hetsika samihafa. Entina ampiharana ny foto-kevitry ny firaisan-kina izany ary hitondrana ny anjara biriky ho an’ny fiaraha-monina. Tsiahivina fa soatoavin’ny Malagasy ny firaisan-kina.
