SocialTatitra

France : Miakatra ny tahan’ireo tanora miditra anaty famonoan-tena

Nahitana fiakarany ny tahan’ny tanora te mhiditra ao anaty famonoan-tena, any France, raha ny vokatry ny fanadihadiana nataona sampana iray tany an-toerana. Nanomboka ny taona 2021, izany hoe taorian’ny tranga Covid-19 dia ny 4,2% amin’ireo tanora nanaovana ny fanadihadiana no manana faniriana te hamoy fo na te hiditra anaty famonoan-tena. Natao tamin’ny alalan’ny finday ity fanadihadiana ity ary maherin’ny 24.000 isa ireo tanora teo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 85 taona nanotaniana tamin’izany ka ireo 4,2% ireo dia nanana eritreritra ny hamono tena avokoa tao anatin’izay 12volana izay.

Laisser un commentaire