Ambohimanga Rova: Nisy ny fiaraha-mientana tamin’ny fanadiovana nataon’ireo mponina
Ny faran’ny herinandro teo no niara-nientana, nanatanteraka fanadiovana ireo mponina tao Ambohimanga Rova. Araka ny voalaza, ny tao amin’ny manodidina ny Lycée Ambohimanga rova no voadio nandritra izany tanamaro izany.
“Anisan’ny hetsika mahafinaritra hatrany rehefa miara-mientana tahaka izao ny rehetra satria adidy sy andrasikitry ny tsirairay ny fanadiovana sy ny fitandroana izany. Ny isam-batan’olona dia manana anjara biriky amin’ny fanatanterahana izany avokoa” hoy i Tantely, ray aman-drenin’ny mpianatra.
“Hisaorana hatrany ireo mahafoy tena, mahafoy fotoana ho an’ny tombotsoan’ny rehetra tahaka izao. Izany dia anisan’ny taratry ny fandrosoana. Tsy voatery hiandry tomponandraikitra na fanentanana isan-karazany vao afaka hanao zavatra ho an’ny tanàna misy anao” hoy i Hanta, mponina ao an-toerana.
Taratry ny fandrosoana sy ny fandraisana andraikitra ny fahadiovan’ny tanàna. Manana andraikitra ny isam-batan’olona amin’ny fanatontosana izany. Ankoatra ity hetsika ity moa dia mbola hitohy hatrany izany fiaraha-mientana izany.
Manitra R.
