ActualitésTatitra

Maurice : Miroborobo ny sehatry ny fizahantany

Mandroso ny sehatry ny fizahantany ao ao amin’ny nosy Maurice. Raha ny voalazan’ny Statistics Mauritius tao amin’ny tatitra mivoaka isam-bolana ny 7 aogositra teo dia tafiakatra 107 832 ny mpizahatany tonga tao amin’ny nosy ny volana jolay lasa teo.

Nitombo betsaka izany raha ny fanazavan’izy ireo. Raha tsiahivina mantsy dia 94 084 izany tamin’ny volana jolay ny taon-dasa teo. Mampiakatra isan’ny mpizahatany teo anelanelan’ny volana janoary hatramin’ny jolay 2023 ho 704 298 izany. Heverina fa hihoatra ny tamin’ny taon-dasa ihany koa n mpitsidika amin’ity volana ity hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire