ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Feno 100 taona ny EPP Belanitra

Feno 100 taona ny EPP Belanitra, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ny fanokafana ny fankalazana izany, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tao an-toerana ihany, tamin’ny faran’ny herinandro teo. tonga nanatrika izany fanokana ny fankalazana izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo solon-tena avy amin’ny seha-panjakana samy hafa.

« Tanjona ao anatin’izao fankalazana izao ny hananganana trano lehibe iray eto amin’ny faritry ny sekoly mba hampiasaina amin’ny lafin-javatra maro. Ao anatin’izany ihany koa dia hisy ny biraon’ny Talean-tsekoly vaovao » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Ankizy sy mpianatra maro no efa nandalo teto amin’ny sekoly, nandrato fahaizana sy fahalalana. Taratry  ny fijoroan’ny sekoly efa ho 100 taona izao izany. Nandritra izany dia miezaka hatrany ireo mpanabe sy mampianatra manome ny tsara mba hamolavolana ireo ankizy eto amin’ny sekoly » hoy ny avy amin’ny sekoly.

Fokontany iray mandrafitra ny kaominina Ankadikely Ilafy i Belanitra. Efa manomboka tazana ao an-toerana ny fivoaran’ny tanàna sy ny fitomboan’ny mponina. Ao anatin’izany indrindra no hangatahan’ireo mponina ny hampitomboana ny sekoly, indrindra ny ambaratonga faharoa ; ity farany izay tsy mbola misy ao an-toerana ka voatery mandeha lavitra ireo mpianatra manohy ny fianarana, raha ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire