Ethiopie : Mpanao gazety Frantsay nogadraina, voampanga ho niteraka fanakorontanana
Mpanao gazety frantsay iray, Antoine Galindo, no notanana am-ponja tany Ethiopie, hatramin’ny fotoana nisamborana azy ny 22 Febroary teo. Niampanga azy ho mpioko ka hamboly korontana tao amin’ny firenena ireo manam-pahefana tany an-toerana. Ny sabotsy teo no niakatra manoloana ireo mpitsara ity mpanao gazety ity, ary mitohy hatramin’ny 01 martsa ny fitanana am-ponja azy. Araka ny namabaran’ny mpampiasa ity mpanao gazety ity, dia tsy misy antony mazava tokony hiampangana ity lehilahy ity, ary tsy misy toro manamarina ireo fiampangana azy. Mitaky ny famotsorana malaky ity mpanao gazety ity araka izany ny mpampiasa azy ity.
