Ambohimangakely : Lehilahy lehibe iray nivarotra sy nisoloky tanin’olona saron’ny zandary
Lehilahy lehibe iray, 70 taona no nisoloky tanin’olona tao Fiadanana Ambohimangakely, ka saron’ny zandary tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra azy, olona 13 hafa ihany koa no voasambotra niaraka taminy, izay mpiasan’ny kaominina Ambohimangakely ny iray, araka ny voalaza.
« Gaga ny mpandova 11 mianadahy raha nahita fa lasan’olona ny taniny mirefy 21a33ca tao Fiadanana Ambohimangakely. Manana antontan-taratasy feno ny mpividy tao anatin’izany. Tsy nanaiky anefa ireo tompony ka nametraka fitoriana tety amin’ny brigadin’ny zandarimaria » hoy ny avy amin’ny zandarimaria Ambohimangakely.
« Nampiasa hosoka avo lenta ireto mpisoloky ireto. Misoratra amin’itompokolahy X (efa maty) ny tany ary manana mpandova 11 izy. Nahavita taratasy maro anefa i Dadabe izay tsy taova, tsy volovolon’izy 11, fa izy irery no zanak’itompokolahy X ary izy irery no mandova. Nanana taratasy maro momba ny fandovana ity farany tao anatin’izany, izay hosoka avokoa » hoy hatrany ny fanazavana.
Namidin’izy ireo 29.500.000 ariary moa izany tany izany, saingy niala maina ireo mpividy. Tao anatin’izany tsikombakomban’ireo mpisoloky izany moa dia nampiasa karazan’olona maro, izay sandoka avokoa izy ireo, toy ny vavolombelona. Niakatra ny fampanoavana avy hatrany moa ity raharaha ity ka ny roa dia efa mpamerin-keloka, nisazy fito taona tany Antanimora, raharaha toy ity ihany. Ny valo notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora, nahazo fahafahana kosa ny dimy.
