SocialTatitra

France : Olona efatra maty vokatry ny fihotsahan’ny ranomandry

Nisehoana fihotsahan’ny ranomandry, tao amin’ny tendrombohitr’i Sancy, any Puy-de-Dôme France ; ny alahady teo. Mpihanika an-tendrombohitra miisa sivy no nofaohan’ny ranomandry nandritra izany.  Araka ny tatitra navoakan’ireo tomponandraikitra, dia olona efatra tamin’izy ireo no maty, ary telo hafa no naratra. Ny roa hafa kosa dia hita soa aman-tsara, taorian’ny fikarohana azy ireo hatramin’ny nitrangan’ny loza. Nisy moa ny fanadihadiana natao momba ny antony nahatonga ity tranga ity.

Laisser un commentaire