Afrique du Sud : Vaoheloka 15 volana am-ponja i Jacob Zuma
Nohelohin’ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana any Afrika Atsimo ny talata 29 jona lasa teo higadra 15 volana an-tranomaizina ny filoha teo aloha Jacob Zuma.
Vesatra niampangana azy ny nanaovany tsinotsinona ny fitsarana taorian’ny nandavany tsy hiatrika ny raharaha miady amin’ny kolikoly ka nitarika ny fanomezana baiko azy hitolo-batana ao anatin’ny 15 andro. Tsy ara-dalàna ny fandavana io raharaha io ka tokony hosaziana izay manao izany hoy ny mpitsara Sisi Khampepe. Tsy nanana safidy afatsy ny hanagadra azy aho mba hanjakan’ny rariny eto amin’ny firenena hoy ny mpisehatra iray amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Nanomboka ny 2018 no nisy ny fikarohana natao mikasika ny kolikoly nisy nandritra ny 9 taona nahateo azy teo amin’ny fitondrana. Efa ho 40 mantsy no nijoro vavolombelona tamin’izany ka nisy ny fampiantsoana azy izay tsy tonga akory izy ka nitarika izao didy izao.
