ActualitésTatitra

Fihariana : Mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena ny mpanao asa tanana

Seha-pihariana azo ihantseharana tokoa ny fanaovana asa tanana eto amintsika. Nanome toky amin’ny fahavononany hanohana ny mpanao asa tanana eto Madagasikara ny avy ao amin’ny Fihariana. Nisy ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana teo aminy sy ny Ministeran’ny asa-tanana sy ny hai-tao.

« Efa mahatratra 1 000 tapitrisaa ariary mahery ny famatsiam-bola tanteraka teto amin’ny Fihariana ho an’ireo mpandraharaha miasa amin’ity sehatra ity. Hohamoraina sy hohafainganina noho izany ny famatsiam-bola ho an’ny mpanao asa tanana Malagasy rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Fihariana. « Mila hampiroboroboana tsara ity seha-pihariana manodidina ny asa tanana ity. Afaka mandray anjara feno ami’nny fampandrosoana ny firenena mantsy ireo mpanao asa tanana aorian’izay indrindra eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina sy ny ara-toekarena » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa tanana sy ny hai-tao. « Tena mila tosika lehibe tokoa izahay mpanao asa tanana. Betsaka no nanome toky saingy ny atao no hita » hoy i Evelyne, mpanao asa tanana.

Apetraka aorian’izao ihany ko any rafitra mari-toerana iarahana amin’ny CNaPS sy ny Foibem-pitantanana Ankapoben’ny Hetra. Marihina fa manohana izao tetik’asa ho an’ny mpanao asa tanana izao ihany koa ny BNI Madagascar. Irariana mba hiroborobo hatrany tokoa ny sehatra eo amin’ny fanaovana asa tanana eto amintsika. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire