ActualitésTsidika

Foir’Ferme andiany voalohany : Hahita voay eny Ampefiloha ireo mpitsidika

Hahita voay eny Ampefiloha ireo mpitsidika amin’ity andiany voalohan’ny Foir’Ferme. Hetsika iray karakarain’ny Canal7 events ny 12-13-14 Aogositra izao etsy amin’ny Plaza Ampefiloha hanohanana ireo tantsaha mpiompy sy mpamboly ary ireo mpamokatra ary hanasongadinana ihany koa ny vokatra natoraly (bio).

Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ny hetsika, dia dimampolo eo ho eo ny isan’ireo mpandray anjara amin’izao andiany voalohany izao ary efa voaomana sy feno avokoa ireo stands 50 andraisana azy ireo. « Mila fanohanana ireo tantsaha mba hampisy lanja ny vokatra vokarin’izy ireo » hoy ny mpiandraikitra ara-barotra, Areta Razafindrakoto.

Misy ihany koa ny fiofanana maimaimpoana mahakasika ny « agro-écologie » karakarain’ireo mpanohana ofisialy ny hetsika isany izany ny Guanomad, Fifata ary ny Accès Banque. 2 000 ariary moa ny vidim-pidirana hoan’ireo izay liana amin’ity hetsika ity.

Manentana hatrany ny rehetra mba hanjifa ny vokatra avy eto an-toerana ho fanohanana ireo tantsaha. Tsy ho tsara kokoa ve ny manohana ireo mpamokatra eto an-toerana toy izay hiaina hatrany amin’ny fanafarana ireo entana avy any ivelany ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire