Hala-bola : Tafaverina ny 31 Tapitrisa Ariary tamin’ny 40 Tapitrisa very
Fankam-panahy lehibe ho an’ny Malagasy ny vola, havitana zava-doza maro mihitsy rehefa mahita azy io. Isany manaporofo izany fa mahantra ny vahoaka Malagasy, hany ka mora voarebirebin’ny vola. Tsy nahatohatra ny fahafantarana fa misy vola ao amina lehiben’ny Distrikan’i Marovoay ity miaramila mpiambina ity. Efa hainy daholo ny mombamomba ny trano, ny isan’ny efitra ao indrindra ny misy ilay vola izay tao ambony rihana. Ny alin’ny Sabotsy 3 Aprily lasa iny no niseho ny fangalarana ary lasan’i Jesy ilay miaramila ny vola mitentina 40 Tapitrisa Ariary. Nohararaotiny tamin’ny tsy naha teo ity Lehiben’ny Distrika ity ny nangalarana izany. Tsy sarotra ho an’ny mpanao fanadihadihana anefa ny namantatra ny olon-dratsy ka natao ny fizahana ity miaramila mpiambina ity izay efa nandositra lavitra. Nidinana ifotony tany amin’ny trano nipetrahany saingy tsy tratra tao ka niveri-maina ny mpitandro filaminana. Raha iny hiverina iny anefa no nifanehatra tamin’ny haza izy ireo ary raikitra ny fanenjika saingy tsy tratra i Jesy fa ilay sakaizany no tsy tafandositra lavitra. Niverina nanao ny fisavana tamin’ny trano fonenan’ity miaramila ity ary tafaverina ny vola 31 Tapitrisa Ariary. Mbola misy mpitandro filaminana iray aza hoy ny sakaizan’i Jesy nomeny 7 Tapitrisa Ariary. Tsy lavitra ny mpangalatra, olona mahalala tsara ny ao aminao matetika no ambadika amin’ny halatra. Tsy azo atao ny mahatokitoky fahatany, tsy ny olona rehetra no mendrika fahatokisana. Koa mila mitandrina hatrany isika amin’ny fananantsika fa efa mamely mafy ny fahantrana.
Nicole Rafalimananjara
