ActualitésTsidika

61 taona, tsy mbola mahaleo tena

Higadona tsy ho ela ny daty manan-tantara eo amin’ny Malagasy rehetra izay natao mba hahatsiarovana ny valin’ny tolona nataon’ireo olon’ny 1947 dia ny fahaleovan-tena izany. Ny 26 jona 1960 ihany koa no nanambarana ofisialy ny repoblika Malagasy voalohany izay notantanin’i Philibert Tsiranana.

Ao anatin’ny Repoblika faha-4 isika izao, rivotra maro no nitsoaka teto amin’ny Nosy izay isan’ny nanova ny tantaram-pirenena. Mpitondra maro ihany koa no efa nandray ny fahefana nitantana ny firenena sy nanao araka izay fahaizany avy. Fahaleovan-tena no nomena antsika ny 26 jona 1960, izany hoe fahafahana teo ambany fitarihan’ny Frantsay.

Nanomboka niditra teto taorian’izay ny vahiny avy any amin’ny firenena hafa nitady fifandraisana toy i Suisse, Etats-Unis. Tany manana otri-karena tokoa i Madagasikara hany ka nahasarika indrindra ireo mpampiasa vola sy ny mpitrandraka. Tsy afaka ny hahaleo tena anefa ny firenena ankehitriny satria na ny vary hohanin’ny vahoaka aza mbola hafarana any ivelany. Tsy velona araka izany isika raha tsy misy ny any ivelany izany hoe mbola miakin-doha na ara-tsakafo io na ara-bola sy ny ara-pitrandrahana satria ny vahiny indray no mahita ny harena eto mihoatra ny Malagasy eto.

Aiza ilay fahaleovantena niadian’ireo razana ? Moa tsy isika Malagasy no hiara-hiezaka mba tena hamapaleo tena antsika marina tokoa ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire