Horakofana « beton » ny lalana Analakininina makany amin’ny boulevard Ratsimilaho
Isan’ny mitondra fandrosoana ho an’ny mponina eny ifotony ny fanamboarana na fanatsarana ny lalana mba hahamora ny fifandraisana amin’ireo manodidina. Ny lalana no antokin’ny fandrosoana hoy ny teny filamatrin’ny antoko iray manoloana ny fanamboaran-dalana.
Ho an’i Toamasina manokana, hanomboka tsy ho ela ny fandrakofana indray ny lalana amin’ny « beton » izay mampitohy an’Analakininina sy ny boulevard Ratsimilaho. Hisitraka ny fahatsaran’ity lalana ity voalohany ny mponina manodidina. Koa manao antso avo ireo manana trano na fananganana manamorona ny lalana ny avy ao amin’ny Kaominina mba hanaja ny fifanarahana amin’ny mety hikasihana azy ireny.
« Raha misy ny vahaolana omena anay fa tsy hoe simbaina ny trano dia tapitra dia tsy hampaninona izany » hoy ny olona iray manana trano fonenana manamorona ny arabe. Izay mandrava no mangana hoy ny olona sasany.
Nicole Rafalimananjara
