Torohevitra : Ny sakafo tsara hoanina aorian’ny fety
Tao anatin’ny fety tanteraka manerana izao tontolo izao nandritra ny harinandro. Rehefa fety dia midika fa misakafo matsiro. Matetika dia toy izany hatrany no fomba hankalazana izany fety izany. Rehefa vita anefa ny fety dia mazana tsy te hierika sakafo matsiro izany intsony. Ireto misy torohevitra amin’ny sakafo azonao atao hialana amin’ilay matsiro be teo aloha.
Voalohany indrindra aloha dia tsara raha hajanona ny fihinanana zavatra matavy loatra. Ao anatin’izany ny « mayonnaise » sy ireo « charcuterie » isan-karazany. Anisan’ny azo atao ny manao sakafo maivana toy ny lasopy legioma tsy misy hena. Azo atao ihany koa ny manao ron’anana. Mazava ho azy fa sakafo misy rony kokoa no tena idealy mbahahafahan’ny vatana manao ny asany moramora mamotika ireo sakafo navesatra andritra ny fety rehetra.
Mandritra ny andron’ny fety ihany koa dia azonao atao etsy andaniny ny mividy rano mineraly izay ahitana singa na karibonetra betsaka. Ny karibonetra izay hanampy anao amin’ny fandevonan-kanina vetivety. Raha tsy mahita rano mineraly araka izany dia azo atao ny mampangotraka rano ary izany no afangaro amin’ny karibonetra ka sotroina ny iray vera.
Na dia fantatra aza fa azo atao izany rehetra izany dia mila mitandrina foana amin’ny fomba fisakafoanana isan’andro.
Miora Raharisolo
