France : Miharatsy ny tsy fahampian’ny fanafody
Efa am-bolana maromaro izao no misedra tsy fahampiana fanafody ny toeram-pamarotana izany ao France. Nanana olana teo amin’ny famatsiana ireo mpivarotana fanafody indrindra amin’izao fotoana. Raha ny tatitry ny « Agence nationale de sécurité du médicament » ao an-toerana dia tafiakatra 15% io tsy fahampiana io tamin’ny taona 2022 teo.
Isan’ireo fanafody sarotra hita ao France amin’izao fotoana ny amoxicilline, paracétamol, insuline sy ireo fanafody miady amin’ny homamiadana (anticancéreux). Ny tsy fifanarahan’ny famokarana sy ny filàna no tena anton’io tsy fahampiana io hoy kosa ny filohan’ny Union des syndicats de pharmaciens d’officine, Pierre-Olivier Variot. I France no manafatra fanafody amin’ny sarany mora indrindra eo Europe ka aleon’ireo mpamokatra mamatsy firenena hafa, raha ny fanazavan’io tompon’andraikitra io.
