ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tany amin’ny kaominina Ankadinandrina, Fokontany Morarano Ambohimarina. Lasibatry ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 9 be izao tao amin’ny tokantranon’ny mpivady mpiasam-panjakana.

« Nafatotr’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana ka tsy namelany raha tsy nanoro ny fitoeram-bola sy ny fitaovana azo entina rehetra ilay renim-pianakaviana » hoy ny sefo Fokontany tany an-toerana. « Tsy afaka niantso vonjy izahay fa efa nampitandrina ireo olon-dratsy ka efa ora roa taty aoriana vao nampandre ny manodidina rehefa hita fa lasa ireo jiolahy satria ny tena tanam-polo manoloana ny fitaovam-piadiana isan-karazany » hoy ireto mpivady lasibatra ireto.

« Tena tsy vao voalohany ny fanafihana sy ny vaky trano ary ny fandrobana eto Ankadinandriana. Manomboka mahazo vahana izany ka miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izahay vahoaka aty an-toerana » hoy i Sonya, mponina ao Ankadinandriana. Vao tsy ela tokoa mantsy izay no nitrangana halatr’omby tao anatin’ity Kaominina iray ao Avaradrano ity saingy tsy azon’ireo dahalo ireo omby fa tafaverina tamin’ny tompony.

Miverina ny tsy fandriam-pahalemana na dia nangingina volana vitsy aza taorian’ny nahasamborana ireo jiolahy rain-dahiny izay mbola mamita sazy eny Antanimora amin’izao. Ny mpitarika no tratra fa ny tarihina mbola mivezivezy any an-toerana, izay manangana tarika vaovao indray ka mila handraisana paik’ady matotra avy amin’ny fitondrana ny fanafoanana azy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire