Ambohimangakely : Tratra ireo mpangalatra kodiaran-droa
Tratra ireo andian-jiolahy mpanagalatra moto any Ambohimangakely, izay miisa 9 mianadahy be izao. Ny Zandary ao Ambohimanagakely no nisambotra azy ireto hatreny Antaninarenina, izany hoe efa nivoaka ny distrikan’Avaradrano mihitsy ny fisamborana.
« Ireto jiolahy ireto no tompon’antoka tamin’ilay fisolokiana moto teny By-Pass vao andro vitsivitsy izay, nanambana sabatra an’ilay tompona moto saika hivarotra azy » hoy ny Zandary any an-toerana. « Efa fetsy mihitsy ireto dahalo ireto satria lokony mainty ny moto avy eo dia amidiny ao amin’ny facebook indray avy eo, ka teo no nanaovana velam-pandrika azy teny Antaninarenina satria mody hoe mividy izahay » hoy hatrany ny avy ao amin’ny Brigady Ambohimanagakely. « Mila hamafisiana hatrany ny fihazana ireny olon-dratsy ireny satria tena tsy miaina am-pilaminana mihitsy ny vahoaka » hoy i Lanto, mponina ao Ambohimangakely.
Marihina fa efa mpanao fanafihana sy vaky trano mihitsy ireto ireto tratra ireto ka mampiasa ireny zava-maranitra ireny mba hampitahorana olona. Azo hinoana ve fa hihena ny tranga tsy fandriam-pahalemana sy ny halatra moto aorian’izao ?
Nicole Rafalimananjara
