ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mbola ao anatin’ny fitsaboana tanteraka i Omega

Mbola ao anatin’ny fitsaboana tanteraka eny amin’ny hopitaly HJRA i Omega amin’izao fotoana izao. Raha ny voalazan’ireo manodidina azy, mbola manano sarotra ny fitsaboana azy ary mbola hanaovan’izy ireo antso amin’ireo mahalala tanana.

« I Omega amin’izao fotoana izao aloha dia mbola ao anatin’ny hirifiry tanteraka. Hatreto aloha tsy mbola nisy ny fandidiana azy fa ny fakàna ireo singa hanaovana fitiliana no nataon’ny mpitsabo azy. Izy anefa tena efa reraka » hoy ireo manodidina an’i Omega.

« Efa ho herinandro izao izahay no tety amin’ny hopitaly ary tena manano sarotra ny eo amin’ny lafin’ny vidim-panafody sy ny fanaovana analyse isan-karazany. Raha ny nolazain’ny mpitsabo dia any amin’ny faha 24 janoary any no mety ho didiana (tapahina) ny tongony izany » hoy hatrany ireo olona manodidina azy.

Raha tsiahivina, misy fivontosana izay tsy mitsaha-mitombo ny tongotr’i Omega, izay renim-pianakaviana 22 taona, manan-janaka 3 mianadahy, izay vao 3 volana ny zandriny indrindra. Ireto farany izany mipetraka amin’ny rahavaviny amin’izao fotoana.

Ho an’ireo izay maniry handefa fanampiana azy moa dia afaka mandefa izay foy amin’ny 033 80 104 60 (Rakotonirina Herman) sy 038 45 725 41 (Razanadrainy Raheliarisoa). Raha misy maniry hihaona mivantana amin’izy ireo ihany koa dia afaka mitsidika azy ireo eny amin’ny hopitaly HJRA (oncologie, 2ème etage).

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire