Qatar : Niverina indray eo amin’ny taranja tennis i Roger Federer.
400 andro mahery izay no nanaovan’i Federer, mpilalao tennis, lalao farany. 13 volana lasa izay nandalo fandidiana teo amin’ny lohaliny izy ary tsy afaka nanatanteraka fifaninanana intsony. Ankehitriny, hiverina tanteraka eo amin’ny sehatry ny fifaninana tennis indray i Federer, ary hanomboka izany ao Doha renivohitry Qatar manomboka ny alatsinainy 08 martsa izao ny tenany. “Fifaliana ho ahy ny miverina milalao ny tennis, izay efa ela izay tsy nanaovako azy” hoy izy. Efa ho 40 taona izy ankehitriny, nilaza ihany koa i Federer fa “tsy mahazatra ny mahita mpilalao efa ho 40 taona hiverina rehefa afaka herintaona tsy nilalaovana, saingy ny zava-dehibe hoy izy, tsy misy ratra sy fanaintainana mihatra aminy intsony amin’izao”. Anisan’ny nalaza teo amin’ny fitiavana ny tennis i Federer. Nanomboka ny 30 Janoary 2020 izy no niditra indray teo amin’ny lalao. Nanamafy ity lehilahy Suisse ity fa manantena ny ho afaka hanaitra ny fitiavany io lalao io indray, ary mety hahagaga ny hafa indray aza ny fahatanjahany. Faniriany ny tsy hisian’ny aretina eo amin’ny lohaliny intsony rehefa handeha ny fifaninanana. Mahatoky ny tenany tokoa i Roger Federer fa hahavita izany lalao izany hatramin’ny farany izy.
