SportTatitra

Etats-Unis : Nivoaka ho mpandresy nandritra ny lalao all-star ny ekipa LeBron.

Resin’ny ekipa LeBron tamin’ny isa 170 no ho 150 ny ekipa Durant nanditra ny NBA All-Star Game, ny alin’ny alahady 07 martsa tao Atlanta. Ny solontenan’ny Milwaukee Bucks Giannis Antetokounmpo no nahazo ny anaram-boninahitra “joueur par excellence” tamin’ity hetsika ity. Nahomby avokoa ny andrana famonoana 16 nataon’I « The Greak Freak », isan’izany ny “trois point” miisa 3. 35 arak’izany ny isa azony raha atambatra. Namelombelona ny lalao ihany koa i Damien Lillard sy i Stephen Curry tamin’ny fihazoana isa 32 sy 28 avy. Etsy ankilany, 12 minitra fotsiny ny fe-potoana nilalaovan’I LeBron James. Mbola noravahany tamina “dunk” mahavariana ihany io fe-potoana io na fohy aza Mikasika ny ekipa Durant kosa, tsy nandray anjara tamin’ny lalao ny kapiteny, Kevin Durant, noho ny ratra nahazo azy. i Bradley Beal arak’izany no mpitarika ny ekipa tamin’io fotoana io, niaraka tamin’ny isa 26. Niantraika betsaka tamin’ity lalao ity ny fisian’ny alanaretina covid-19. Talohan’ny fifaninana, efa fantatr’i Joel Embiid sy Ben Simmons fa tsy afaka mandray anjara amin’ny lalao All-Star izy ireo, nohon’ny mpanety azy ireo izay voamarina fa mitondra ny tsimonkaretina covid-19. Arak’izany, tsy maintsy manaraka ny toro-marika mifandraika amin’ny fiarovana amin’ny fipariahan’ny valanretina napetraky ny NBA ireto mpilalao ao amin’ny 76ers Philadelphie ireto. Afaka nanatanteraka ny andraikny amin’ny maha mpanazatra ny ekipa Durant kosa i Doc River, mpanazatra ao amin’ny 76ers. Voalaza fa tsy nifandray tamin’ireo mpilalao roa ireo mihitsy ny tenany hatramin’ny nahatongavany tany Atlanta. Ankoatr’ireo mpilalao ao amin’ny 76ers ireo, tsy misy atleta hafa ahihina hatreto.

Laisser un commentaire