SocialTatitra

Nouvelle Zélande : Efa mby afa-bela manoloana ny valanaretina covid-19.

Tsy nahazo afa-tsy dera i Nouvelle-Zélande hatramin’ny nanombohan’ny areti-mandringana. Tamin’ny taon-dasa, tranga 2.500 fotsiny no voamarina tao amin’ity firenena ao Oceanie ity raha toa ka mitotaly ho 5 tapitrisa ireo mponina ao Nouvelle Zélande. Nametraka fepetra henjana arak’izany ny fitondrana hatramin’ny fiatobohan’ny krizin’ny valanaretina covid-19. Nandaitra avokoa ireo ezaka natao, tao anatin’izany ihany koa ny fanaovana vaksiny ireo mponina efa hatramin’ny faraparan’ny taona 2020. Tao anatin’ny volana vitsivitsy izao, efa mihena tsikelikely ireo famerana ao Nouvelle Zelande. « Any Quebec, manao sarontava daholo ny tsirairay, samy manaja ny elanelana napetraka avokoa. Tsy izany velively kosa raha ny eto Nouvelle Zelande. Miaina ny fiainany ara-dalàna ny tsirairay toy ny tsy misy valanaretina ny mponina », hoy i Jacques Landry, Quebecois iray sady tale mpanatanteraka ao amin’ny federasion’ny azakazaka am-bisikleta ao nouvelle Zelande. Raha tsiahivina, nanidy ny firenena manontolo nandritra ny enim-bolana ny praiministra ao an-toerana, Jacinda Ardern, tamin’ny fiandohan’ny areti-mandringana. Sahala amin’i Canada, mihidy ny sisintany any Nouvelle Zélande. Ny mponina na ny olom-pirenena manana pasipaoro ao amin’ny firenena ihany no afaka miditra. Ea manomboka miverina ihany koa ny fifaninana ara-panatanjahan-tena ao Nouvelle Zelande amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire