Pays-Bas : Tribune ho an’ny kianjan’ny baolina kitra rava
Nianjera ny tribune ho an’ny kianjan’ny baolina kitra iray tao Pays-Bas raha iny nifanandrina iny ny NEC Nimègue sy ny Vitesse Arnhem teo amin’ny salan’isa Aotra noho iray (0-1). Teo amin’ny fiaraban’ny mpanohana ny ekipa mpandresin’ny Arnhem no nihotsahan’izany tribune izany.Tsy misy ny aina nafohy na ny naratra fa « conteneur » iray lehibe no niaro ny apahan’izany tsy hihotsana ihany koa.
