SocialTsidika

Miverina tsikelikely ny tsena isa-kerinandro

Enina herinandro izay no nikatonan’ny tsena isa-kerinandro, tsy vitsy ireo mpivarotra nitaraina noho ny fahatapahan’ny fidiram-bolany kanefa ny vava tsy maintsy homana. Efa manomboka miverina araka izany ny tsena isa-kerinanadro. Isaky ny Alarobia toy izao mantsy ny tsenan’Andravoahangy, ka hita namelatra entana ireo mpivarotra androany 2 Jona. Na tsy nisy aza ny fanambarana ofisialy ny fisokafan’izany, rehefa miala tamin’ny fihibohana isaky ny faran’ny herinandro isika dia midika izany fa misokatra ny tsena hoy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Mbola hita niahotra anefa ny mpivarotra sasany ka nisafidy ny tsy hivarotra aloha androany ary tahaka izany koa ireo mpividy ka nisafidy ny ho eny amin’ny tsena an-davanandro ihany. Ny Alakamisy 15 aprily lasa teo no nanombohan’ny fikatonan’ny tsena araka ny didy navoakan’ny filan-kevitry ny Minisitra ny omalin’io. Hita mantsy fa eny amin’ny tsena tahaka io no tena hiparitahan’ny valan’aretina ka nohamafisin’ny filoha izany ny Alahady teo fa iray isa-trano ihany no tokony hiantsena. Tsy misy anefa ny baiko fa soso-kevitra ihany izany, ny rehetra no tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany ka miaro tena amin’izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire