ActualitésTsidika

Ahiana ho nivarotra an-janany ilay renim-pianakaviana

Renim-pianakaviana iray no ampangain’ny olona ho nivarotra ny zanany lahy kely enim-bolana, noho ny zanany nisy nahita nalain’ny olona tamin’ny fiara ny alahady lasa teo, raha mbola teo am-pisotroana toaka ny reniny izay monina eny Ankadindratombo Mandroseza.

Tsy nanaiky izany fanamelohana azy izany anefa ity reniny ity. « Nisy nitondra nitsoaka ny zanany fa tsy namidiny, tsy nahalala mihitsy hoe ho entin’ilay olona hitsoaka ny zanako ; izaho rahateo variana kely nisotrosotro » hoy i Nantenaina, renin’ilay zaza very.

« Ity reniny ity efa mpanary anaka mihitsy, tsy misy izay tsy mahalala izany ety amin’ny fiarahamonina, telo izay ny zanany no nariany » hoy i Tiana, mpiara-monina aminy eo. « Ny fananany ao an-trano dia efa saika tapitra namidiny amin’ilay resaka toaka, matetika mandala eto foana io ramatoa io fa tsy miova mihitsy ka izao no vokany » hoy i Lanto, mponina eny amin’ny manodidina. Efa misy kosa ny filazana naparitaka ho an’izay mahita ilay zaza very raha toa ka notazomina teny amin’ny Zandarimarian’Alasora nanaovana fanadihadihana ity renim-pianakaviana.

Inona marina no tena zava-nisy ? Namidiny sa very tsy nahy ilay zaza ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire