Comores : Hanomboka afaka roa volana ny fampianarana ao amin’ny oniversite Midocean
Oniversite virtoaly ankatoavin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny Midocean. An-jotra ihany ny fampianarana rantovina ao amin’izy io izay hanomboka afaka roa volana. Hatreto dia lalam-piofanana telo ahazoana mari-pahaizana « licence » ihany no misy ao amin’ny oniversite : « management, médias numérique, technologies de l’information ». Ho an’i lalam-piofanana farany io dia misy ny toerana hikirakirana « information » napetraka ao amin’ny sampam-pianarana Imam Chafioun.
Malalaka ho an’ireo afaka fanadinana bac rehetra ny fidirana ao amin’ny oniversite Midocean. An-jotra ihany koa ny fisoratana anarana amin’ny fidirana ho mpianatra. Marihana fa anjerimanontolo tsy miankina ny Midocean. Nanamafy ny Dr Abdulrahman Almohaimeed fa mpampianatra sangany sy mahay ary manana « doctorat » no hanome fampianarana ao amin’ny oniversite Midocean.
