ActualitésTatitra

Maurice : Firenena sambatra indrindra aty Afrique

Araka ny tatitra fahasivy iraisam-pirenena mikasika ny tahan’ny fahasamabaran’ny firenena rehetra eran’izao tontolo izao ny taona 2021 dia hita fa i Maurice no firenena sambatra indrindra aty Afrika raha i Zimbabwe no tsy sambatra indrindra aty Afrika ihany.

Ny alahady 27 jona lasa teo tao amin’ny tranokalan’ny « Canadian Visual Capitalist » no namoahan’ny Sustainable Development Solutions Network na ny SDSN izany tatitra izany. Nifantoka tamin’ny mason-tsivana momba ny fahasalamana, tohana ara-tsosialy, ny fahafahana misafidy, ny fahafaham-po, ny kolikoly, ny fahaizan’ny governemanta, ny fihetseham-po mihabo sy mihiba tamin’ny taona 2020 ary indrindra ny fiatraikan’ny Covid-19 no nampiasain’ny SDSN tamin’izao tahan’ny fahasamabaran izao. Mitana ny laharana voalohany aty Afrika i Maurice satria tamin’ny Jolay 2020 dia nitana ny laharana faharoa aorian’I Seychelles izy amin’ny fananana vola miditra betsaka indrindra aty Afrika. I Zimbabwe kosa no tsy sambatra indrindra noho izy matetika tratran’ny loza voajanahary foana sady ambany ny toe-karena ka na ny sakafo aza tsy ampy.

Raha i Canada no firenena sambatra indrindra any Amerika Avaratra, dia ny nosin’i Haïti no tsy sambatra indrindra. I Finlande kosa no sambatra indrindra any Europe ary i Ukraine no tsy sambatra indrindra.

Laisser un commentaire