ActualitésSocialTsidika

Anosy Avaratra : Zaza menavava nariana tao anaty lavam-piringa, avotra soa aman-tsara

Zazamenavava nisy nametraka tao anaty lavam-piringa no avotra soa aman-tsara, ny alatsinainy teo, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Antso nataon’olona tsotra, izay nahatsikaritra feon-jaza nitomany tao an-toerana, tamin’ireo zandarimaria sy tomponandraikitra tao amin’ny fokontany no nahafahana nanavotra ilay zaza, araka ny voalaza.

«Taorian’ny nahazoana tamin’ny olona avy eny Anosy Avaratra dia nidina teny ifotony avy hatrany ireo zandary, niaraka tamin’ny sefo fokontany sy ny dokotera avy ao amin’ny CHRD Anosy Avaratra. Hita tao anaty lava-piringa tokoa ilay zaza ary nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana ka avotra soa aman-tsara ny ainy » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Ny famotorana natao kosa no nahafantarana ny renin’io zaza io izay tsy afaka nandà intsony ity farany satria mbola tratra tao aminy ny ahitra nitoeran’ilay zaza sy ireo lamba sy akanjo maro feno ra nampiasainy nandritra ny fiterahany tao an-trano. Tsy te hitaiza ilay zaza izy raha ny fanambarany » hoy hatrany ny fanazavana.

Ankoatra ity renim-pianakaviana ity, mbola misy olona telo hafa ahiahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’izao raharaha izao ka mbola hanaovana fanadihadiana ihany koa. Amin’izao fotoana, manaraka fitsaboana ity vehivavy ity sy ilay zaza menavava.

Manitra R.

Laisser un commentaire