Maurice : Mikasa hanondrana mananasy sy litchis mankao Chine ny nosy
Mandeha ny fifampidinihana eo amin’ny nosy Maurice sy i Chine manoloana ny fanitarana ny vokatra haondrana. Misy ny fikasana hanondrana mananasy sy litchis makao Chine saingy mbola miandry ny « Pest Risk Analysis » avy amin’ireo manampahaizana ao Chine izany raha ny fanazavana.
Tsena manan-danja ho an’i Maurice i Chine. Ny 16,1% amin’ny fanafaran’entan’ny nosy ihany koa dia avy ao amin’io firenena io avokoa tamin’ny taona 2022 raha ny tatitra. Ny fifanarahana ara-barotra malalaka voalohany « Free Trade Agreement » nosoniavin’i Chine tamin’ny firenena aty Afrique izay nanan-kery nanomboka ny 1 janoary 2023 teo ihany koa nahafahana nanamafy ny fanondranana entana nakao Chine raha ny fanamafisana.
Na izany aza mbola mifototra amin’ny vokatra vitsivitsy toy ny akanjo, siramamy ary menaka « thon » ny fanondranan’i Maurice. Anton’io fikasana hanondrana mananasy sy litchis io izany.
