Etats-Unis : Soritr’aretinan’ny covid-19 vaovao hita eny amin’ny zaza
Mpitsabo zaza maromaro avy ao amin’ny hopitalin’i Boston ao Massachusetts no nanao fanambarana fa misy soritr’aretina vaovao ny « variant Omicron ». Miteraka « laryngite » io variant io raha ny fanazavana nentin’izy ireo ka mampamaivay ny lohatraoka (larynx).Zaza no tena ahitana io sotritr’aretina io fa indrindra ireo zazalahy kely latsaky ny 2 taona. Miteraka kohaka mafimafy io lohatraoka mamaivay io ary mitatika « respiration sifflante ». Zaza 75 nandalo tao amin’ireo mpitsabo ireo no nahitana io soritr’aretina vaovao io, ny 81% amin’izy ireo dia nitondra ny « variant Omicron » avokoa izay nohazonina ao amin’ny hopitaly ny 12%.
