RN 34 : Tapaka ny lalana
22 Martsa, 08h00. Tapaka tanteraka ny lalam-pirenena eo amin’ny PK 53+700 Andrefan’Antetezandava Fokontany Belanitra Kaominina Ankazomiriotra. Eo anelanelan’i Matielona sy Ankazomiriotra nanomboka ny alin’ny 21 hifoha 22 Martsa 2022 tamin’ny 1 ora maraina teo. Antony. Ny fihotsahan’ny ampahan’ny lalana ka manoloana izany ny fiara avy any Morondava sy Miandrivazo ary Mandoto dia hajanona eo Ankazomiriotra ary ny fiara avy Antsirabe dia hajanona eo Betafo. Efa manao ny fandaminana kosa ny Brigade Betafo sy Brigade Ankazomiriotra mba tsy hisian’ny fitohanana be loatra sy hitandroana ny filaminana sy fanararaotana.
