France : Lehilahy iray no nanapaka ny filahiany tamin’ny antsy
Lehilahy iray no niteraka savorovoro tao Toulon. Nirenireny teny an-dalana tao Louis-Picon tao Pont-du-Las efa tsy niankanjo, nitazona antsy ary nihoson-drà ny tenany. Raha ny fanazavana dia notapahin’io lehilahy io ny filahiany.
Renim-pianakaviana maromaro nifanena tamin’ilay lehilahy no nitantara ny zava-nisy tamin’ny mpivarotra iray ary io mpivarotra io no niantso ny manam-pahefana. Vetivety ihany ireto farany dia tonga tao an-toerana ka tsy misy atahorana ny ain’ilay lehilahy izay heverina fa manodidina ny 40 taona eo.
Nentina tao amin’ny sampana mitsabo saina tao amin’ny hopitaly Sainte-Musse kosa ny tenany taorian’ny fitsaboana azy. Raha ny voalaza dia « schizophrène » ilay lehilahy.
