France : Lehilahy iray no namono ny zanany naterany ho fanasaziana ny vadiny
Lehilahy iray 48 taona no notsaraina tao Bas-Rhin ny herinandro lasa teo noho ny famonoany ny zanany vavy 7 taona. Tao Ostwald, Strasbourg, no niseho io tranga io ny taona 2020. Ny alin’ny andro nisehoan’ny loza dia niditra tao amin’ny efitry ny zanany io lehilahy io ary nanakenda azy. Raha ny fanazavana dia mbola natory ilay zazavavy nandritra izany.
Taorian’izany dia nitolo-tena tamin’ny manam-pahefana io raim-pianakaviana io. Rehefa notanana vonjimaika io lehilahy io dia nanazava tamin’ny polisy fa valifaty natao tamin’ny vadiny no antony namonoina io zanany io. Mbola tsy fantatra mazava ny anton’izany valifaty izany saingy tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga dia tsy tao an-trano ilay renim-pianakaviana izay miasa alina.
