ActualitésTsidika

Tsenan’asa : Tetik’asa Madagascar Shines, hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona

Miara-miasa amin’ny fanjakana Malagasy ny governemanta Amerikana amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa Madagascar Shines. Ity tetik’asa ity izay netina hanampiana ny faritra Anosy hamongorana ny fampiasan zaza tsy ampy taona. Miroborobo any an-toerana izany fampiasan zaza tsy ampy taona izany izay efa miisa 10 000 ireo zaza no miasa amin’ny fitrandrahana eladrano. Sady mampididoza anefa io asa io no tsy ara-dalana ho an’ireo zaza tsy ampy taona ireo. Mitentina 4 500 000 USD ny vola entina manatanteraka ity tetik’asa ity.

« Hiseho amin’ny alalan’ny fanomezana fanabeazana sy fampianarana maimaim-poana ireo zaza miisa 1 800 ao Anosy ny tetik’asa. Eo ihany koa ny fanampiana amin’ny asa fiveloman’ny koa ny olon-dehibe miisa 2 200. Hisy ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasam-panjakana hanatsara ny fampiharana ireo fepetra fiarovana ny zaza sy hametraka fitsipi-pitondra-tena eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana eladrano », hoy ny avy ao amin’ny Governemanta Amerikanina.

Vola vetivety ity fitrandrahana eladrano ity satria lohalaharana amin’ny fanondranana eladrano i Madagasikara. Alefa any Chine ny 87 % amin’ny vokatra vokarina eto an-toerana. Ampiasain’ny orinasa sinoa hamokarana kojakoja mandeha amin’ny herinaratra sy kojakojam-piarakodia izay amidy maneran-tany izany. Izany no mahatonga ireo Ray aman-dReny mandefa ny zanany manao io asa io.

« Vahaolana amin’izany dia tsy maintsy hampidirina amin’ny sehatry ny fitrandrahana ara-dalana ny fitrandrahana ela-drano. Hanohana ny fametrahana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany maharitra lavitry ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara izahay », hoy ny avy ao amin’ny PACT.

Voararan’ny lalàna ny fampiasana zaza tsy ampy taona, indirndra ihany koa amin’ny toerana mampidi-doza tahaka izao. Harena ny zanaka saingy tsy fanao ny manolotra azy ireny ho sorona.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire