Ankadikely Ilafy: Hisy ny hetsika fandidiana « Hernie » maimaim-poana
Hisy ny hetsika fandidiana « Hernie » maimaim-poana, izay atao eny amin’ny DICOLO (Clinique-Médico-Chirurgicale) Analamahitsy, Ankadikely Ilafy, ny faran’ny volana may ity. Natao ho an’ireo zaza lahy latsaky ny 18 taona izany, araka ny voalaza.
« Antsoina ireo rehetra liana amin’ny hetsika mba ho tonga hisoratra anarana mialoha eny amin’ny DICOLO. Amin’ny maha fandidiana azy dia misy ireo fepetra manokana takiana sy ahafahana manao ny fizaham-pahasalamana » hoy ireo tomponandraikitra.
« Ny fandidiana ihany no vahaolana mahafaka ny hernie amin’ny zaza iray ary tsy tokony atao ambanin-javatra ny fitsaboana azy io satria mahatonga olana maro amin’ny fahasalama. Ohatra ny tsy fahazakana manao zavatra mafy » hoy i Rindra, mpitsabo.
Ny fahasalamana no voalohan-karena, hoy ny fomba fiteny. Fotoana iray fanararaotra ny hetsika tahaka izao ahafahana mikolokolo ny fahasalamana. Entanina araka izany ireo manana olana ara-pahasalamana ho avy eny amin’ny toeram-pitsaboana.
Manitra R.
