Aiza no misy ny Kaominina Ambanivohitra Masindray Avaradrano ?
Kaominina iray ao anatin’ny faritra Analamanga ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano i Masindray. 20 kilaometatra miala ny renivohitra no misy azy ary 12 kilaometatra amin’ny làlana dia saika efa « goudron » avokoa raha lalan-tany ny ambiny fa kosa tongan’ny fiara tsara mihitsy rehefa tsy fotoanan’ny fahavaratra. Mahatratra 76 000 m2 ny velaran-taniny izay misy mponina 15 000 ka zaza no tena betsaka.
Ny zanak’i Rafohy sy Rangita, anabavin i Andriamanelo, Rambavy no nikarakara an i Masindray izay miditra fa masina ny ray. Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana no tena ankamaroan’ny mponina ao. Ny kaominina Alasora no eo andrefanyraha ny kaominina Ambohimanambola ny avaratra atsinanana, ny Kaominina Anjeva kosa ny avaratra andrefana ka ny kaominina Alarobia Ambatomanga no ao atsinanany izay marihina fa samy kaominina ao Avaradrano avokoa.
Nicole Rafalimananjara
