Filoha lefitry ny PIDC vondrona 5A i Madagasikara
Notontosaina ny 25 novambra teo ny fifidianana ho fanavaozana ny Birao hitantana ny programa PIDC eo amin’ny UNESCO na ny « Programme intergouvernemental pour le developpement de la communication ». Hanatontosana ny fandaharan’asa misahana ny fampiroboroboana ny Serasera eo amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena mikambana izany.
« Anisan’ny nilatsaka tamin’ny fifidianana i Madagasikara ka lany tsy nisy nitsipaka » hoy ireo tompon’andraikitra. Marihina fa kandida tokana i Madagasikara rehefa nanala ny filatsahany i Côte d’Ivoire. « Filoha Lefitra mandritra ny 2 taona manaraka 2021 hatramin’ny 2023 i Madagasikara » hoy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. « Ahafahana manamora ny fisitrahana famatsiam-bola ho an’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety malagasy izany toerana izany » hoy izy ireo. « Ny fanirianay fotsiny dia ny mba hoan’ny fanaovan-gazety tokoa izany ary mba hangarahana ny fisitrana io toerana io » hoy ny mpanao gazety iray.
Hiara-hiasa amin’i Madagasikara eo amin’ny toeran’ny filoha kosa i Suède, Pays-Bas, filoha lefitry ny vondrona 1, Russie lefitry ny vondrona 2, République Dominicaine ny vondrona 3, Mongolie ny vondrona 4, ny Liban ny vondrona 5 ary i Namibie izay mpitatitra. Andrasan’ny maro amin’io toerana misy an’i Madagasikara io kosa ny fampiroboroboana tokoa ny asa fanaovan-gazety.
Hasina Rasamimanana
