Betsimisaraka : Toy ny ahoana ny « Dihy Telo » ?
Dihy ataon’ny Betsimisaraka amin’ny hafaliana ny Dihy Telo. Vehivavy telo no mandihy eo anoloana sady mihodinkodina. Ny sisa kosa milahatra aoriana mihira. Zipo marevaka sy akanjo ambony miloko rano ranoray no fitafiana amin’izany. Mirandrana manao volopelaka na misatroka ireo mpandihy ireo.
Angorodao sy aponga no zavamaneno ampiasaina amin’ny « Dihy Telo ».
