Ambohimanambola : Nohamoraina ny fahazoana ny karatry ny mpandoa hetra sy pantanty
Nisy ny hetsika nataon’ny kaominina Ambohimanambola ho fanamorana ny fisitrahan’ny mponina ny karatry ny mpandoa hetra na pantanty. Teo amin’ny fiantsonan’ny fiara Ambohimanambola Ampahimanga no nanatanterahana izany 26 jolay teo.
« Betsaka tokoa ny tombontsoan’ny mponina amin’ny fananana ity karatra ho an’ny mandoa hetra ity. Tsy hitovy amin’ny tsy nandoa hetra mihitsy. Ao anatin’ny mangaraharaha hatrany ihany koa amin’izany ny fitantanana ny hetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Vita eo no ho eo ny karatra ho an’izay nanantona anay teto. Miantoka ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny fahazotoan’ny rehetra mandoa hetra » hoy hatrany izy ireo.
Tsy mitovy avokoa akory ny anjara hetran’ny tsirairay. Manaraka ny fahefany sy ny fari-piainany izany.
Nicole Rafalimananjara
