Misarika mpizaha tany i Vohintsoa any Ambatondrazaka
Nosy kanto i Madagasikara, ary manana toerana maro mahasarika ny maro indrindra ireo mpizahan-tany, raha tsy hilaza ny mampiavaka ny isam-paritra fotsiny izay manana natiora kanto tsy tambo isaina toy ny any Ambatondrazaka
Anisan’ny toerana mahasarika mpizaha tany aty amin’ny tapany avaratry ny distrikan’Ambatondrazaka ny fokontany Vohitsoa, ao amin’ny kaominina Imerimandroso. Tsy ny vahiny ihany fa ny indrindra ny Malagasy avy any amin’ny faritra hafa izay tonga eto an-toerana hoy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tanàna manamorona ny farihin’Alaotra i Vohitsoa. « Ilay nosy kely antsoina hoe Ambato na Ambatomanongarivo ao amin’ity fokontany ity izay toerana manan-tantara eto amin’ny Faritra no anisan’ny mahasarika ireo mpizaha tany » hoy ny mponina any an-toerana.
Misy amin’ireo mponina no manomboka manajary ny tany manamorona ny farihy mba handraisana ireo mpitsangatsangana toy ny trano fandraisam-bahiny raha ny hita any Vohintsoa. « Vohitra soa tokoa satria tena mahasarika no tsy mbola be mpahalala kanefa ahafahana miala sasatra tsara » hoy ny tompon’ny trano fandraisam-bahiny iray.
Mampalaza an’i Vohitsoa ihany koa ny rary ataon’ireo fikambanam-behivavy ary efa misy ny toerana voatokana iasana sy amarotana ireo asa-tanana. Kanto ny nosintsika, ilaina ny fahitantsika ny hankatony koa mazotoa hatrany mamantatra sy mijery ny zava-boahary soa misy eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
