ActualitésTsidika

Alasora: Roapolo andro ny fe-potoana hanitarana ny lalana ao an-toerana

Mitohy hatrany  ny asa fanamboran-dalana ao amin’ny kaominina Alasora. Amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny fanamboarana sy ny fanitarana tanteraka ny lalana ao an-toerana, ireo tomponandraikitra. Aharitra roapolo andro izany asa fanitaran-dalana izany, araka ny voalaza.

“Anisan’ny tena tery tokoa ity lalana eto Alasora ity. Ny tena olana, efa maro ireo mpifindra monina ary betsaka ihany koa ireo trano miorina amoron-dalana ka tena manery ny arabe; ankoatra izany, olana mahatery io lalana ihany koa ireo fiara mijanona amoron-dalana ka tokony handraisana fepetra” hoy i Zaka, tompona tsenam-barotra.

“Hisaorana ny kaominina amin’ny fandraisana andraikitra. Tena ilaina tokoa izany satria tena tery ny lalana eto Alasora, mijaly ireo mpandeha an-tongotra, indrindra fa ireo mpianatra madinika. Ankoatra ny fanitarana ny lalana dia tokony ampiarahana amin’izany ihany koa ny fametrahana ireo marika amin’ny lalana, mba ho fifampitaizana sy hampianarana ny olona hanaja ny fifamoivoizana” hoy i Lanto, mponina ao Alasora.

Ankoatra ity fanitaran-dalana ity, dia nisy ihany koa ny fanamboarana ny lalana RP11 izay mampitohy ny fokontany Miadana. Taratry ny fandraisana andraikitra sy fampandrosoana ny kaominina avokoa moa ny fanatanterahana izany asa izany.

Laisser un commentaire