Orinasa Star: Nanohana ny mpiasan’ny fahasalamana
Mihamafy ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana ankehitriny. Vao tsy ela akory izay no nisy ny antso nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampitomboana azy ireo. Ny mpitsabo, ny mpanampy mpitsabo, ireo mpampivelona sy ny mpandraharaha isan-tsokajiny no mandrafitra azy ireo. Voaresaka matetika fa manao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo amin’ny famelomana aina ankehitriny. Izy ireo no manakaiky voalohany indrindra ny marary ankehitriny. Maro amin’izy ireo no efa tsy salama intsony vokatry ny fifaneraserana sy ny harerahana be loatra. Tsy vitsy ihany koa ireo mamoy ny ainy mihitsy vokatr’izany.Ny tatitra nataon’ny mpitsabo mpanampy farany teo izao no nahafantarana fa ny 60% amin’izy ireo no efa tratran’ny aretina ankehitriny. Maro amin’ireo sokajy ireo no manao antso avo amin’ny fanjakana ankehitriny amin’ny tokony hijerena manokana azy ireo. Tsy misy hafa-tsy ny fanaovana vaksiny azy ireo sy ny fanamafisana ny fampitaovana anefa no tena hatolotry ny fanjakana. Raha ny vaksiny no hasian-teny, nilaza ny fanjakana Malagasy fa ho tonga ato anatin’ny 15 andro manaraka ny fatra voalohany amin’izany ary ireo mpiasan’ny fahasalamana no hatao lohalaharana amin’izany. Nahatonga ny orinasa star hanampy azy ireo ihany koa amin’izay azo hataony ny fahitana izany. Ny orinasa Star izay efa nitohy tamin’ny fanaovana asa sosialy nandritra ny fotoana maro, indrindra fa amin’izao mampamaivay ny aretina izao. Nanome rano miisa 100 000 tavoahangy ny minisiteran’ny fahasalamana izy ireo araka izany, ary hotsinjaraina manerana ireo toeram-piasan’izy ireo izany. Antenaina ny hisian’ny fanampiana sesilany tahaka izao mba ho mariky ny fanohanantsika ny sehatry ny fahasalamana.
Fanilo Rarivoarilala
