Volamena 73,5kg : Hisy ny fanamarinana fa avy eto Madagasikara ireo volamena ireo
Niato tato ho ato ny raharaha volamena izay nisy nanondrana an-tsokosoko ny faraparan’ny taona 2020 lasa teo. Efa naneho ny heviny mahakasika izany avokoa ireo tompon’andraikitra rehetra, hatramin’ny filoham-pirenena aza. Mitohy hatrany anefa ny raharaham-pitsarana mahakasika azy io nandritra izany. Tao ireo notanana vonjimaika tany afrika atsimo, toerana nahatratrarana izany, ary nisy ihany koa ireo naiditra am-ponja teto an-toerana. Ho fanampin’ny ezaka hamongorana ny tena atidoha nikotrika izany, hisy indray ny porofo siantifika hamarinina fa avy eto Madagasikara ireo volamena ireo. Nisy araka izany ny atrik’asa nampitain-davitra efa natao mikasika ireo volamena, harena an-kibon’ny tany ireo. Mikarakara izao hetsika izao ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ary ny minisitry ny fampianarana ambony. Nandray anjara amin’io fanaporofoana io ihany koa ny mpampianatra sy ny mpikaroka Malagasy eny amin’y anjerimanontolo. Tanjon’ity hetsika ity ny famenoana ny anton-taratasy napetraky ny fanjakana Malagasy, hanaporofoina fa tena avy eto Madagasikara tokoa izy ireto. Tombontsoa azo avy amin’izany ihany koa ny fahazoana mamantatra ny toerana niavian’ny volamena, amin’ny alalan’ny fanadihadihana ara-tsiantifika. Dingana aarahina amin’ny fanatanterahana izany ny fikarohana ara-teknika, ara-teknolojia, ara-pifandraisana, izay manampy ny tontolon’ny siansa.
Fanilo Rarivoarilala
