ActualitésTatitra

Afrique : Australopithèque, « primate » nanakaiky ny olombelona voalohany

Ny « Australopithèque » omena ny anarana siantifika hoe « Australopithecus » dia karazana « hominina » efa lany tamingana nonina taty Afrique tany anelanelan’ny 4,2 sy 2 tapititrisa taona (Ma) talohan’izao ankehitriny izao (AP).

« Anthropologue » antsoina hoe Raymond Dart no namorona ny teny hoe « Australopithecus » tamin’ny taona 1925 taorian’ny nahitana ny « Enfant de Taung » tao Afrique du Sud ny taona 1924. « Primate » voalohany nanakaiky ny endriky ny olombelona ny « Australopithèque », sady nanana toetoetry ny « primate » izy (kelikely atitoha) no nanana toetoetry ny olona (teo amin’ny firafitry ny nify).

Laisser un commentaire