Ankadikely Ilafy : Nahitana fatin’olona tsy nisy lohany intsony
Lehilahy iray hita faty teny Ankadikely Ilafy, efa tapaka tanteraka ny lohany. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy, ary tsy mponina eny amin’ny manodidina izy.
« Ny lohan’olona efa nentin’ny alika no hitanay. Nampandrenesina haingana ny zandary taorian’izay. Tsy mponina eto izy, tena tsy misy mahafantatra mihitsy » hoy ny teny amin’ny manodidian nisehoan’ny loza. « Tsy mbola fantatra hatreto ny tompon’antoka amin’ity raharaha ity. Tsy mbola misy ny olona ahiana hatreto. Ho antsika manam-baovao kosa dia hiangaviana hanantona hatrany ny mpitandro filaminana » hoy ny zandary. Nalevina tao amin’ny fasan’ny kaominina Ankadikely Ilafy aloha ny razana, mandrampahita izay fianakaviany.
Tsara foana ny mampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy ny mampiahiahy mba ahafahana mifehy ny tranga ara-potoana.
Nicole Rafalimananjara
