ActualitésTsidika

Kolontsaina : « Rakibolana sy Literatiora : fitaovam-pikajiana ny teny malagasy »

Ho fanandratana ny kolontsaina amin’ny alalan’ny kanto vita amin’ny teny dia  mikarakara valan-dresaka momba ny Literatiora mitondra ny lohahevitra hoe « Rakibolana sy Literatiora : fitaovam-pikajiana ny teny malagasy » ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Tontosaina rahampitso 28 jolay manomboka amin’ny 10 ora ao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy izany. Hisy ny fanolorana Mari-boninahitry ny Kanto sy ny Soratra ary ny Kolontsaina ireo mpanoratra boky ela nihetezana teo amin’ny haisoratra alohan’izany.

Laisser un commentaire