Ambohimalaza : Mpangalatra iray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny
Lehilahy iray no tratra nangalatra, omaly atoandro tao Fiadanana, kaominina Ambohimalaza. Araka ny voalaza, tongolo gasy mipetraka amidy teo ambony latabatra no nalain’ity lehilahy ity, ary tsy vao izao no mpanao izany fihetsika izany fa efa matetika miverimberina.
« Anisan’ny olana mahatonga ny fiverimberenan’ny karazana asa ratsy tahaka izao ny tsy fahampian’ny fandraisana fepetra eo amin‘ireo tompon’andraikitra misahana izany. Na eo amin’ny sazy ampiharina, omena ireo mpanao asa ratsy na eo fiaraha-mientana amin’ny fanenjehana azy ireo, hany ka miverina amin‘ny asa ratsy ataony hatrany mpanao asa ratsy ireo » hoy i Samy, mponina ao Ambohimalaza.
« Mampametra-panotaniana ny maro ny mahakasika ny fandraisana fepetra na sazy tokony ho ampiharina manoloana ny fahatratrarana mpangalatra tahaka izao. Maro loatra ireo trangana halatra miseho tato ho ato ka tokony ho henjana ny sazy omena azy ireny mba ho lesona ho an’ny hafa » hoy i Ranto, mpivarotra enta-madinika.
Araka ny voalaza hatrany, efa nohidiana tao amin’ny zandarimaria ao Ambohimalaza ity lehilahy ity miandry ny fitsarana azy aorian’ny famotorona.
Manitra Ramanantsoa
