ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nahitam-bokany ny fisafoana nataon’ny zandarimaria

Nahitam-bokany ny fisafoana nandritra ny alina izay nataon’ny avy ao amin’ny Zandarimaria ao Ambohimangakely. Omaly, lehilahy iray nitondra fitaovana halatra no nanaovana fanadihadiana rehefa nampiahiahy ny zandary nanatanteraka izany. Araka ny voalaza, fitaovana toa ny « batterie », ny « convertisseur », ny « tourne vis » sy ny maro hafa no nentin’ity lehilahy ity.

« Hadiva harainan’ny omaly 08 novambra, tokony ho tamin’ny 04 ora maraina, rehefa nanatanteraka ny fisafoana ny lehiben’ny zandary niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy no nanao ny fisavana ka tratra tamin’izay ity lehilahy ity, izay efa hita ho nampiahiahy ary nentina namonjy birao ka nanokafana fanadihadiana avy hatrany » hoy ireo mpitandro ny filaminana.

« Tokony tohizana hatrany, ary midina amin’ny fotoana tsy ampoizina ireo zandary amin’ny fanatanterahana ny hetsika fisafoana tahaka izao. Efa matetika loatra ny fandrenesana trangana tsy fahandriam-pahalemana ety amin’ny manodidina ary mampihorohoro ny mponina » hoy i José, mponina ao Ambohimangakely.

Rehefa manao ezaka avokoa ny tsirairay dia ahitam-bokany izany, ary izay ho tombotsoan’ny vahoaka. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa, amin’ny fanampiana ireo mpitandro filaminana ny fanomezam-baovao azy ireo sy ny fanorona azy raha misy tranga mampiahiahy momba ny asa ratsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire