ActualitésTatitra

La Réunion : Tanora 60 no horaisina hiasa ao amin’ny Burger King vaovao ao Saint-Benoît

Nanao sonia fifanarahana misy ankolafy telo amin’ny fandraisana tanora monina ao Saint-Benoît hiasa ao amin’ny Burger King vaovao hisokatra ny volana desambra izao ao an-toerana ny ben’ny tanànan’ny kaominina, Patrice Selly ; ny talen’ny Burger King, Philippe Lariche ary ny foibem-piasana.

Ireo tanora tohanan’ny Sij (Structure information jeunesse) ao amin’ny tanàna, ireo tsy an’asa, ireo mpisitraka RSA, iraeo mponin’ny vondrom-piarahamonina laharam-pahamehana ary ireo mpiasa eo amin’ny fiafaran’ny fifanarahana arak’asany no tena kendrena amin’io fandraisana mpiasa io.

Laisser un commentaire